Sosialy

Mpamily fiara vaventy sy AUTO ECOLE Mangataka ny hamerenana ny “permis” mavokely


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Efa volana maromaro izao no tsy nisy intsony ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia biometrika eo anivon’ny “Centre d’immatriculeur” eny Ambohidahy.

 

 

 Isan’andro anefa dia misy hatrany ireo mpamily lany “visite médicale” ny permis-ny ka tokony hanavao izany hahafahany manohy ny asa fivelomany ankoatra ireo mpianatra marobe tonga mianatra eny anivon’ny auto-école hanatevina ny asa familiana eto amintsika. Zary lasa taratasy kely monja sisa noho no hampiasain’izy ireny entiny mandehandeha eny rehetra eny ka misy amin’ireo mpianatra no zary manadino tsy fidiny ny fianarana norantoviny. Tsy mitovy amin’ny tena “permis” rahateo izany na dia manan-kery aza no sady mora very ihany koa. Manoloana ireo tranga rehetra ireo dia nihetsika ireo mpamily fiarakaretsaka eto an-drenivohitra sy ny auto-école ary ny fivondronan’ireo mpamily fiara be ny faran’ny herinandro teo. Hangatahin’izy ireo amin’ny fanjakana ny hamerenana ilay permis taratasy teo aloha miloko mavokely hahafahan’izy ireo manohy ny asa fivelomany. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia voaroaka tanteraka ilay orinasa teo aloha nanamboatra ireny permis biometrika ireny noho ny antony maro samihafa, antony tsy hisian’ny taratasy fahazoan-dalana permis mandraka ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT