Sosialy

Mpamboly mamatsy ireo tsenan’ny tantsaha Matiantoka amin’ny ankapobeny


  • Zoma 22 Jona 2018

Tsy mba nianatra be loatra ny tena, hoy Atoa Levelo mpamatsy voatavo ny tsenan’ny tantsaha etsy Namontana ka tsy maintsy milofo amin’io asa io hatrany na dia matiantoka aza indraindray.

 
Voatavo iray kamiao lehibe isan’andro no hamidiny ao amin’ity tsena ity manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 9 ora maraina isan’andro. Manomboka amin’ny 500 ka hatramin’ny 1.500 Ar no hamarotany ny voatavo iray amin’izany raha miisa 1.500 ka hatramin’ny 2.000 isa kosa ny iray kamiao. Any Bemitsingy, Marotsingala Analavory faritra andrefana ity raim-pianakaviana ity no maka ireo voatavo ireo ka 3 hetsy Ar ny saran-dalana hitondran’ny kamiao iray ny voatavo mahafeno azy mandrapahatonga etsy Namontana raha mbola 30.000 Ar ihany koa ny mampakatra ny entana any am-potony, 30.000 Ar mampidina azy etsy  amin’ny tsenan’ny tantsaha Namontana karamana dôkera enin-dahy. Tsy voatery ho lany foana anefa ny entana, hoy Atoa Levelo. Rehefa tena tsara ny tsena vao mahalany iray kamiao izy ireo. Rehefa ratsy kosa anefa ny tsena, hoy hatrany izy dia tsy maintsy hanofana trano etsy Namontana indray ny voatavo ka 16.000 Ar isam-bolana no aloha amin’ izany.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT