Sosialy

Morondava Tovovavy 19 taona, maty nananton-tena


  • Talata 19 Mey 2020

Tovovavy iray 19 taona, ny faran’ny herinandro teo no hita faty niantona teny ambony manga tao amin’ny fokontany Tsimahavaokely, distrikan’i Morondava. Araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena ao Menabe, dia namono tena ity tovovavy ity.

 

 

 

 

Tamin’ny alalan’ny fanafody natambany tamin’ny « coca-cola » no nanatanterahany izany izay mbola hita teo amin’ilay toerana nahitana ny razana. Tst maty teo noho eo anefa ilay tovovavy raha ny fiheverana ny zava-nitranga ka nananton-tena izao mba hanaperany ny ainy. Fantatra moa fa nanana olana tamin’ny mpampiasan’ny vadiny ity tovovavy ity. Nangalatra entana tamin’ireo mpampiasam-badiny ireo mantsy izy mivady. Rehefa tratra anefa izy ireo dia nangataka fifanarahana tamin’ilay mpampiasam-badiny ny fianakavian’ilay tovovavy sy ilay vadiny. Na izany aza anefa dia tsy tana ny anaovavy ka naleony ihany nandao ny tany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT