Sosialy

Morondava Mbola maro ireo manao maloto eny amoron-dranomasina


  • Talata 23 Novambra 2021

Mbola maro ireo olona monina eny amoron-dranomasina no manao maloto na diky eny amin’ny faritra tsy tokony hanaovana izany.

Manomboka amin’ny 04 ora maraina izy ireo dia efa mitandavana manao izany no sady manary maloto ho an’iny distrikan’i Morondava iny izay tokantrano am-polony maro mihitsy. Mitsingevana entin’ny ranomasina ireo maloto araka izany ka zary lasa sakafon’ny trondro. Rehefa lasa sakafon’ny trondro izy ireny dia tonga hatrany amin’ny toerana fanatodizan’ny trondro ihany koa ka manaparitaka mikraoba. Anisan’ny antony mbola mampahazo vahana ny aretina lefankozatra eto amintsika ny fisian’izany hoy ny dokotera iray any amin’iny faritra iny. Miverina hataon’ny olona sakafo indray mantsy ilay trondro avy nihinana diky iny ka miteraka aretina tsy roa aman-tany any anatin’ny vatan’ olombelona. Efa misy moa ny hetsika fanentanana hatao hahafahan’ny olona mahazo trano fivoahana manara-penitra any amin’iny faritra Morondava iny amin’izao fotoana. Arahin’ny fampianarana ny olona mba hahalala madio izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT