Sosialy

Morondava Antehiroka Nodarodaroham-badiny ilay vehivavy bevohoka


  • Zoma 04 Desambra 2020

Mihamahazo vahana hatrany ny herisetra hatao amin’ny vehivavy sy ny ankizy

 

 

 

eto amintsika na dia mbola ao anatin’ilay 16 andro iadiana amin’ny herisetra aza isika eto Madagasikara. Tranga iray mampalahelo indray afak’omaly no niseho teny Morondava Antehiroka. Vehivavy bevohoka iray no novonoim-badiny izay fantatra fa tokony ho teraka amin’ny volana febroary taona 2021. Anton’ilay famonoana raha araka ny filazan-dRamatoa ny fanomezany vola 200.000 Ar ireo zana-badiny roa mipetraka any amin-drafozany raha tokony ho 150.000 Ar isam-bolana izany. Niala mihitsy ny nifin’ity ramatoa ity 2 vokatr’izany. Mivonto tsy mihiratra ihany koa ny masony havanana, mangana ny tratrany sy ny kibony, misy tsiranoka mandeha any amin’ny fivaviany izay ahiana mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ilay zaza ao an-kibony. Tsy fantatra ihany koa na folaka na tapaka ny tanany havia. Ireo mponina tao amin’ny Fokontany Faralaza moa no nandray an-tanana ity Ramatoa ity tany amin’ny CSB II tamin’ny alalan’ny tsipaipaika nataony. Tsiahivina moa fa voararan’ny lalana ary mety handoavana onitra 4 tapitrisa Ar ary mampiditra an-trano maizina 2 ka hatramin’ny 5 taona ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy miankina amin’ny hamafin’ilay zava-nitranga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT