MORARANO ARIVONIMAMO

Tantsaha 722 nahazo fanohanana


  • Alatsinainy 29 Jona 2026

Tantsaha miisa 722 mamboly ao

amin’ny lemak'Andromba izay mirefy 80, hektara mahery, no nisitraka tohana avy amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo. Ny 366 amin’izy ireo dia vehivavy. Nahitana zezika NPK: 17,6 taonina, zezika mineraly: 6,70 taonina, masomboly 2,56 taonina izany fanampiana izany niampy batteuses sy vanneuses. Nitarika ny fotoana ny Mpanolotsaina avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Gervais Andriamiaritsoa nontronin'Andriamatoa Sekretera Jeneralin' ny Ministera ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo sy ireo Tompon'andraiki-panajana avy ao amin'ny faritra Itasy. Fanohanana tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny fambolena, hampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha ary hanatsarana ny fahaleovantena ara-tsakafo ao amin’ny Faritra Itasy izany. Hitohy any amin'ny faritra hafa ny hetsika.
Pati

Légende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin'ireo tompon'andraikitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT