MIZANA TSY MANARA-DALANA

Mandeha ny fitsirihana sy ny fandraofana


  • Zoma 26 Janoary 2024

Maromaro tamin’ireo mizana fitaovam-pandanjana nampiasain’ireo

mpivarotra tao amin’ny tsenan’Antsiranana omaly no noraofin’ny tompon’andraikitra. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy manara-dalana avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Misy ireo tsy araka ny fandanjana ara-dalana mihitsy fa feno hosoka raha misy ireo natao tefy manta fotsiny ny sasany no sady feno fanambakana. Tsy vitsy amin’ireo mpanjifa noho izany no mikaikaika rehefa avy mividy hena ka tonga any an-tokantrano. Raha mividy hena 1 kg mantsy ny sasany dia lasa 1 kg latsaka fahefany izany sisa hany ka ireo mpiantsena no voahendrikendrika indrindra moa raha mpanampy an-trano no irahina. Tsy tokantrano iray anefa no lasibatr’izany fa maromaro mihitsy, antony nanosika ny tompon’andraikitra hanao fidinana ifotony. Miisa 30 raha kely noho izany ireo mizana noraofina tao amin’ny tsenan’Antsiranana omaly no sady nahazo fampitandremana ihany koa ireo mpivarotra nampiasa azy.
Pati
Legende : Nandritra ny fandraofana ireo mizana tao an-tsenan’Antsiranana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT