Sosialy

Miverina indray ny aretin-doza Ebola Anisan’ny tandindonin-doza i Madagasikara


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Nahatratra 11 000 ny matin’ny aretina Ebola ary 28 000 no narary tany amin’iny faritra Afrika Atsinanana iny ny taona 2014-2016, ka anisan’ny voa mafy ny tao RD Congo,

 izay niaingan’ny valan’aretina. Tany Atsimo Atsinanan’i Guinée no tena nahitana azy indray ny desambra 2013, raha efa tany amin’ny taona 1976 no nahitana azy voalohany tany RD Congo. Viriosy matanjaka mifindra amin’ny alalan’ny fofon’aina sy ny hatsembohana miteraka “fièvre hémorragique », izay mamono haingana dia haingana izy io. Nahitana io trangan’aretina io indray tao Goma tanàn-dehibe faharoa ao RD Congo ny 14 jolay teo, izay manakaiky ny sisin-tany mampizara azy amin’i Rwanda. Ny volana jona lasa teo ihany koa dia efa tranga roa no hita tao Ouganda. Voatery nanao fanambarana fisian’ny hamehana ara-pahasalamana maneran-tany na “Urgence sanitaire mondiale » ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana ny OMS noho ny zava-misy. Ahiana hiparitaka indray aty Afrika io aretin-doza io, ka tandindonin-doza i Madagasikara. Ho antsika eto Madagasikara dia tsy diso anjara amin’izany ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.  Ankoatra ny fananganana ny komity hanara-maso izany miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka dia arahi-maso akaiky avokoa ireo vahiny mivoaka sy miditra eto amintsika toy ny eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato sy ny eny amin’ny seranan-tsambo maro isan-tsokajiny. Hisy mihitsy ny fitaovana hapetrak’izy ireo arahin’ny fampiharana ilay fandaharan’asan’ny OMS amin’ny alalan’ny fanaparitahana ny vaksiny iadiana amin’ity areti-mandoza iray ity.

Toky R sy Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT