Mivadika ny glôby, mihemotra ny Firenena

Ambatondrazaka sompitr’i Madagasikara vatsiana vary mora


  • Zoma 14 Febroary 2025

Nigadona tao Ambatondrazaka ny alarobia 12 febroary 2025 teo ny « Riz importé »

na ny vary nafaran’ny fitondram-panjakana, izay lazaina fa ho fitsinjovana ny vahoaka any amin’iny faritra iny. Eny amin’ ny Tranombarotra Fitiavana ampitan’ ny Kolejy Saint-Joseph no toerana ahitana ny andian’ ny voalohany ary amidy amin’ ny vidiny 750 Ar ny kapoaka, hoy ny fampahafantarana. Nolazaina fa vary isan’ny tsara kalitao no nafarana araky ny nambaran’ ny fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra Alaotra Mangoro ary ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ izay hanao fanararaotana amin’ ny mety ho fampakarana ny vidin’ ity vary ity. Mampanongo tena ihany anefa izao zava-misy sy fomba fiasa izao ka asa raha mba mahatonga saina ny mpitondra ihany ? Ambatondrazaka sompitr'i Madagasikara amin'ny famokarana vary no lasa hivarotana vary nafarana 750 Ar ny kapoaka. Moa tsy mivadika ny glôby ? Moa ve tsy endrika fihemorana goavan’ny Firenena ? Tsy misy vary vokatra eto an-toerana azo jifaina ve any ? Ekena fa mety mihena ny voka-bary noho ny toetr’andro saingy tsy mitombina loatra, fa ny vidiny no ambony kokoa noho ny antony maro toy ny mason-karena ara-pamokarana satria tena lafo ny akora sy masomboly samihafa. Na izany aza, vary mora no vahaolana sa ny fijerena vahaolana maharitra hampiakarana ny fahefa-mividin'ny vahoaka? Rehefa avy nizara masomboly safiotra sinoa sy zezi-bazaha mety hiteraka fiankinan-doha goavana sy fahapotehan’ny nofon-tany, dia miroso amin’ny fivarotana vary mora nafarana avy tany ivelany ifaninana amin’ny vokatry ny tantsaha izay lafo kokoa. Izany ve tsy famonoana tanteraka ny tantsaha ? Tsy finiavana hanakiana sy hiteny lava fa ny vary safiotra sy ny vary mora hafarana ve n o vahaolana sa ny fanomezana tan-tsoroka ara-pambolena mahomby na ara-bola io na ara-teknika mba hahafahan’ny tantsaha tena mamokatra ao anatin’ny mason-karena tsy midangana ? Tena fitsinjovana ny tantsaha mpamokatra ve ny politika ampiharin’ny Fanjakana mikasika ny fambolena indrindra fa ny vary ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT