Sosialy

Mitoka-monina i Midongy Atsimo 200 Ariary ny kilaon’ny vary, 250 Ar ny tsaramaso


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Rariny raha ambany ny vidim-bokatra any amin’ny distrika Midongy Atsimo faritra Atsimo Atsinanana satria tena mitoka-monina io faritra io araka ny nambaran’ny solombavambahoaka vaovao tsy miankina,

 

 

 

Pastora Tovondray Retsanga Brillant De L’or. 200 Ariary ny kilaon’ny vary ary 250 Ar ny tsaramaso. Potika tanteraka ny lalana ary sarotra hatrany ny hahatongavana any an-toerana, araka ny nambarany. Tsy mahagaga raha izy no distrika tratra aoriana indrindra amin’ny fampandrosoana ary tena sahirana ny mponina, indrindra ireo tantsaha maro an’isa. Hatreto, isaky ny misy fampielezan-kevitra ihany vao mba mandalo any an-toerana ny filoham-pirenena, hoy hatrany ity depiote ity. Mbola misy ihany ny tsy fandriampahalemana any na dia efa misy aza ny ezaka natao’ny fitondram-panjakana. Izany rehetra izany no nanaovany antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hijery haingana io faritra mitoka-monina nefa manankarena io. Nilaza ity depiote tsy miankina ity fa vonona hiara-kiasa amin’ny fanjakana ary hanome ny vaovao rahetra any an-toerana ara-potoana mba hanavotana ny mponina any izay tena miaina anaty fahantrana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT