Sosialy

Mitoka-monina Ambilobe Miandry an-dRajoelina ny mponina


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Ny tanànan’Ambilobe no nosafidian’i Andry Rajoelina nanaovana fidinana ifotony voalohany ny 8 martsa 2018 rehefa niomana hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny tenany.

 

 

 

 Nandeha ny fampanantenana samihafa tamin’izany ary nidokadoka azy fatratra ny Ben’ny tanàna tao an-toerana Assimo Bruno, fa mitondra fanantenana ho an’ny vahoaka Malagasy izay iharan’ny fidangan’ny vidim-piainana sy entana ilaina amin’ny andavanandro na ny PPN i Andry Rajoelina. Nampanantena fa handefa ao anatin’ny fotoana fohy ny fitaovana na “Engins” hanamboarana ny lalana potika tanteraka. Nisy tokoa ilay izy saingy ny sehoseho ivelany no betsaka, fa izay tena asa natao toa tsy hita nisongadina. Folo volana aty aoriana, mitoka-monina tanteraka efa andro vitsy izay Ambilobe satria tapaka ny tetezana any amin’ny 35km tsy hidirana any amin’ity tanàna malaza amin’ny fary ity. Tsy sanatria fitia te hitsikera fa ny fanehoana fiaraha-miory tamin’ny voina namoizana aina am-polony teto Iarivo aza 3 andro taty aoriana vao nisy, mainka fa ary amin’ny tany lavitra ary. Nandefa iraka notarihin’ny praiminisitra hijery ifotony ny voina any Mahajanga, Antsiranana,… i Andry Rajoelina, raha ny sary niparitaka omaly. Tsy mora ny asan’ny filoha sy ny ekipany saingy raha jerena amin’ny hafainganam-pandehany amin’ny resaka haitraitra toy ny fiara raitra efa nomanina, dia afaka ny hahavita zavatra sy hamaha olana ao anatin’ny fotoana haingana ihany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT