Mampanahy ny ho tohin’ny fiainam-pirenena eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy noho ny antony maromaro.
Voalohany, nandray fanapahan-kevitra vaovao hamerana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hifehezana ny fahamarinan-toeran’ny Ariary ny Banky Foiben’ i Madagasikara, herinandro vitsy izay saingy nesorina ny governora. Inona no tena antony ? Tsy nahavita ny iraka nampanaovina azy ve sa antony hafa ? Faharoa, ny tatitry ny banky iraisam-pirenena tamin'ny 25 oktobra dia nanambara fa salama kokoa ny toekarena malagasy tamin'ny 2018 noho ny amin'izao 2019 izao, nidina ny vidin'ny lavanila izay anisan’ny mampiditra vola vahiny betsaka indrindra eto Madagasikara. Fahatelo, lasa ihany koa ny saina hoe vola avy aiza marina no nividianana ireo fiara efa ho 300 ho an’ny mpitandro filaminana ? Avy aiza no nanaovana ny tsena mora ? Inona no tena nahamaika hanangana ilay “Fondation Rajoelina” ? Tsy misy valin-teny mazava sy mangarahara fa vonjy tavanandro ihany no atao matetika nefa tsy mbola mipoitra ny vahaolana mahomby sy maharitra. Mamoaka vola be ny fanjakana Malagasy saingy maivana dia maivana ny miditra.
Solika, Jirama, sakafo
Teboka fahefatra ny solika sy jirama. Mbola nofy.ratsy ho an’ny fanjakana kanefa ain-dehiben'ny famokarana sy ny asa rehetra. Fahadimy, roa volana lasa izay, nifanandrify tamin'ny fiomanana fidiran'ny mpianatra sy ny fidirana ho an'ny sekoly sasany no nanomboka niakatra ny vidin'entana toy ny menaka, sira, hena, legioma, saribao, sakafo any amin'ny hotely, indrindra ireo hotely kelikely fihinanan'ny sarambabembahoaka, ny mofo dipaina nifintina. Farany , ny mpandraharaha sasany efa mahita fa mety hisondrotra hatrany amin’ny 5% ny vidim-piainana amin'ny volana desambra. Tena sahirana ny isan-tokantrano ary tsy mahavoky ny makety fotsiny. Ny fitaintainana amin'ny hoe ho lasa ny tany sy ny trano mbola zavatra hafa saingy mampatahotra ny fomba fiasan'ny fitondrana, ny fomba fanapahan-kevitra ary tena mbola eo foana ilay fanilikilihana sy fanjakan'ny akama. Tsy efa izany ve no nanakianana ny mpitondra teo aloha ka nanaovana tolona ho an'ny fanovana ? Toa vao miha miditra anaty fahasahiranana isika. Fanova-maso sy fampanofinofisana no betsaka ary .izao vao tena tanteraka ilay hoe : fery vaovao ho an'i Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.