Sosialy

Mitobaka ny entana lany daty Variana amin`ny politika ny minisitera tompon’andraikitra


  • Zoma 14 Septambra 2018

Mitobaka indray ny entana lany daty eto an-toerana. Tamin`ny fiandohan`ny volana septambra dia nahatrarana vary simba 200 gony sy paty “spaghetti” 100 baoritra lany daty tany Sambava ka nodorana avy hatrany.

 

 

 

 Vao tsy ela anefa, sarona indray ny vary 300 gony ka tao amin`ilay tranombarotra nahatrarana entana simba tamin’ny 1 septambra 2018 teo ihany no nahitana azy ireo. Tranga hafa ihany koa no niseho tany Toliara sy Maevatanana. Ny eto an-drenivohitra dia entana maro toy ny: bisikoitra, ronono, vatomamy sy kojakoja madinika maro samihafa efa lany daty no hita eny an-tsena. Maro no velon-taraina ary tsy ny mpanjifa ihany no lasibatra fa na ny mpivarotra ambongadiny sy ireo mpaninjara dia samy mitondra faisana avokoa. Mihazakazaka ny mpanjifa mividy ireo entana mora mba ho sitrany ahay.  Hisy fiantraikany amin`ny fahasalaman`ny mponina izao sehon-javatra izao raha tsy mandray fepetra farany izay haingana ny minisiteran`ny varotra sy fanjifana etsy Ambohidahy. Tsy heno ary tsy andrenesam-peo ny tomponandraikitry ny varotra fa toa variana amin`ny politika. Ny minisitra tompon`andraikitra rahateo dia nomena iraka manokana hikarakara fifidianana kanefa mila mandray fepetra mafonja sady mitohy sy tsy tapaka. Olana mandavan-taoana ihany koa ity resaka entana lany daty ity. Anisan`ny mahapotika ireo entana ihany koa ny tsy fanarahana ny fenitra amin`ny toerana fanatobiana, hany ka simba vetivety. Marihana fa tsy azo atao ny mivarotra entana lany daty fa atahorana amin`ny fahasalamana sy mety mahafaty mihitsy aza. Entanina ihany isika mpanjifa mba handinika tsara fa tsy ho roboka be fahatany ary tsinjovy ihany ny fahasalamana fa io no voalohan-karena. Tsy azo adinoina ihany koa fa vanim-potoanam-pifidianana ihany koa isika ka gaboraraka tanteraka ny fanaraha-maso eny amin`ny seranan-tsambo. Tsy ny entana lany daty ihany no tafiditra eto amintsika fa hatramin`ny fitaovam-piaidiana mahery vaika nohafarana avy any ivelany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT