Jean Jacques Rabako Ralambonirina, talen’ny fampianarana sy ny fikarohana ao amin’ny FIMPIMA (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy) sady mpampianatra amin’ny anjerimanontolo, efa niasa tamina banky saingy efa nisotro ronono no vahinin’ny Fandaharana “Teknisianina” tao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 fm ny alarobia teo.
“Ny tanora sy ny asa” no lohahevitra. Raha vao miresaka izany, ny alehan’ny eritreritra dia ireo tanora nandranto sy nahavita fianarana, hirotsaka amin’ny sehatry ny asa satria mahatsapa tena fa misy zavatra hatolotra, hoy izy. Mizara roa eo ny tanora, dia ilay nahazo fahaizana sy fahalalana, ka handeha hampiasa izany amin’ny alalan’ny fijerena asa any amin’ny orinasa. Ny lafiny iray indray dia ny nahazo fahaizana sy fahalalana, ka handeha hamorona asa ho an’ny tena satria ireny ilay antokon’olona tia fahalalahana, tia fandrosoana. Ny olona tia mamorona asa ho azy, dia efa nanana fahafahana sy fahaiza-manao, ary tsy tonga ho azy io fa zavatra efa nomanina taloha be. Tahaka izany ihany koa ireo hiditra amin’ny asa efa misy fa samy efa niomanana. Izay no toetra takiana amin’ny tanora. Zava-dehibe ny fahitana ny atao. Tsy maintsy efa nahavita ny “Etude de marché” na ny tsenan’asa sao hirotsaka amin’ny zavatra amin’ny zavatra tsy misy fidiram-bola intsony sy efa maro olana. Rehefa nahafantatra ilay tsena, dia anisan’ny zava-dehibe ny fitadiavana fanohanana. Azo atao ihany koa ny mitambatra maromaro eo amin’ny namana mitovy hevitra sy mitovy vina. Miditra amin’ny fanatanterahana ilay eritreritra ho zavatra azo tsapain-tanana. Maro no azo hifanampiana amin’ny resaka fananganana orinasa tahaka izany, ary efa misy ny sehatra maro samihafa manampy ny tanora amin’izany. Ny zavatra takiana amin’ny olona hiditra amina orinasa kosa ny fahavononana sy ny fahafantarana ny maha izy azy ny tena sy ny fahaiza-manao hahatanteraka ny zavatra takiana. Zava-dehibe ihany koa ny hoe: inona ny tombony sy fanavaoazana hoentiko amin’ity orinasa ity ? Tsy misy ny olona sokajiana hoe: “incapable” na tsy manana fahaiza-manao sy hahavita zavatra, hoy izy, fa ny olona tsirairay rehefa nomen’Andriamanitra loha sy saina sy vatana, fa ny finiavana no mila atao mafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.