Na tsy mba manana sehatra firy hitenenana aza ny olon-tsotra sy ny olom-pirenena, dia mazava fa leo korontana. Maniry ny hirosoana amin’ny fifidianana, saingy mila araka ny lalàna sy ny rariny ary ny hitsiny izany.
Maniry mafy sy te hilaza amin’ny mpanao politika hoe : aza korontanina amin’ny politika ny asa fivelomanay, ary efa mihorohoro sahady amin’ny hisian’ny krizy eo anatrehan’ny toe-draharaha efa manomboka mafana amin’izao fotoana izao. Ny politika maloto sy fitondran-tenan’ny mpanao politika Malagasy maro, dia mila fanovana mba hiverenan’ny fifampatokisana. Izany rahateo no mahatonga ny olom-pirenena sasany leo sy tofoka ary tsy te hiherika ny mpanao politika satria tsy indray mandeha no voafitaka. Vao mainka anefa lesoka amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny firenena izany, ary tsy tsapan’ny isam-batan’olona intsony ny hoe : izy anie ka singa iray iankinan’ny fandrosoana, fa tsy mpitondra sy ny mpanao politika ihany. Tsy tsapany ny zo sy ny fahefana ananany noho izy efa leom-boanana amin’ny resaka savorovo sy fanakorontanana ataon’ny ifanaovan’ny mpanao politika noho ny ady seza. Fanarenana ny firenena sy famoronan asa izao no tokony himasoana satria ny takaitran’ny famotehana 2009 aza mbola tsy voaarina mandrak’androany, ka vao mainka ho loza raha hiditra krizy eo indray. Raha ny volaben’ireo kandida sasany no ampiasaina mivantana amina tetikasa hanasoavana ny firenena tena azo antoka fa ny 90% amin’ireo tanora tsy an’asa no hahazo asa afaka hamokatra, saingy tsy izany aloha no hampiasana azy, fa hividianana ny safidim-bahoaka hahafahana manambaka azy rehefa mahazo seza sy fahefana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.