Sosialy

Mitaraina ny mpandray fisotroan-dronono “Mbola niasa 12 taona fanampiny aho, ny vola tsy arak’izay”


  • Zoma 11 Martsa 2022

Mivanàka ary very fanahy aho nahita ny zavatra mikasika ny zava-misy ao amin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale), hoy Atoa RR, raim-pianankaviana mpikambana ao amin’ny CNaPS).

Isan’ny notsiahivin’Atoa RR ilay hoe ny Tale Jeneraly mandray isam-bolana 125.000.000 Fmg na 25 tapitrisa Ar, hofan-trano 55.000.000 Fmg na 11 tapitrisa Ar, mbola miampy tombon-tsoa maro toy ny solika, fiara,... Ny volabe mivoaka tsy mazava. Iza no namaritra ireo? Vola zarazaraina atsy sy aroa ho an’ny vadin’i Mme. R, sekoly FJKM Antsahamarofoza sy ny maro hafa. Inona moa no tokony hidiran’ny CNAPS amin’izany? Hoy izy. « Ny latsak’emboka avy amin’ny mpiasa sy ny orinasa no mamelona ny CNaPS. Ny mpiasa no tokony hotsinjovina voalohany. Ampiakarina ny tombony ara-tsosialy: volan-jaza, fandraisana anjara amin’ny fahasalamana, trano be, centre de loisirs,... Ataon’ny ny fanjakana fakana vola”, hoy hatrany Atoa RR. Notsindriany hatrany ny hoe: mampindrana vola atsy sy aroa. “Raha mikasika ny fisotroan-dronono anefa maro dia maro mba tsy ilazana hoe ny rehetra no mitaraina amin’ny fahakelezany. 30 taona mahery aho no mpikambana tao amin’ny CNaPS ary “HC” no sokajy nisy ahy. Ar 683.000 isan-telo volana no raisiko, izany hoe 1.000.000 Fmg na 1 tapitrisa Ar eo ho eo, zara raha mahazo ronono. Raha nanontany ny mpiasan’ny CNaPS aho hoe maninona no kely sahala amin’izao ary tsy mba ampitomboina ve? Ny valin-teny dia hoe im-betsaka ry zareo no nandefa soso-kevitra any amin’ny fitondrana mahefa kanefa tsia foana ny valin-teny. Mampalahelo », hoy hatrany ny fanehoan-keviny. Nitantara ny mikasika azy manokana mihitsy i RR, ka naneho, fa mbola niasa 12 taona taoaorian’ny faha 60 taonakoaho. Naloa foana ny latsak’emboka (orinasa-mpiasa). “Ny totalim-bola narotsaka anefa dia tsy nampidiriny tao amin’ny famerana ny fisotroan-dronono. Nankaiza hoy aho izany ilay vola? Any anaty kitapo iombonana hoy ny valin-teny. Iombonan’iza moa? Asa misy olona tratran’izany koa fa amiko dia halatra tsotra izao izany. Maro be ny zavatra tsy manjary ao amin’ny fitantanana an’io orinasa io. Soa fa misy mahasaky mamoaka ny tsy mety. Sao dia tokony mba hihetsika isika mpikambana mba hiaro ny tombontsoantsika? », hoy Atoa RR namarana sady nampisaintsaina ny rehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT