Sosialy

Mitaraina ireo tena sahirana Lasa fanaovana bizina ny vatsy tsinjo


  • Zoma 11 Martsa 2022

Nisavoritaka ireo vahoaka maro izay traboina tao amin’ny fokontany andrefan’ Ambohijanahary nandritry ny fizarana ny tosika fameno sy ny vatsy tsinjo avy amin’ny fanjakana omaly maraina.

 Ireo olona traboina izay tokony hisitraka ny fanampiana no lasa ao ambadiky ny lisitra ny anarany raha nambaran’ireo vahoaka nitabataba naneho ny heviny. Ny fandaminana napetraky ny komitim-pokontany mihitsy no tsy nazavaina tamin’ireo vahoaka no antony fikorontanana . Fokontany telo no indray natambatra hizarana ny fanampiana ka efa nisy ny fangoronana karne teny anivon’ny fokontany mialohan’ny fizarana izay efa tsy nampahafantarina ireo mpahazo tombotsoa ny laharana sy ny toerana hakana ny fanampiana. Raha ny nanambaran’ireo vahoaka hatrany dia misy mamarotra 15 000 ariary ny tapakila ahafahana mahazo ny fanampiana avy amin’ny fanjakana io ary mbola isan’ireo voadingana hatrany izy ireo . Nilaza izy ireo fa efa alina vao nizara ny tapakila ny vaomieran’ ny fokontany . Nampanontany tena ireo fokonolona hatrany ny vola nozaraina avy amin’ny fanjakana mitentina 60 000 ariary ary ny vary sy ireo kojakoja mandinika izy efa manomboka mihena . Mangataka ireo mponina ny hamerenana ny fakana ny lisitra misy ny anaran’ ireo tena traboina satria ireo olona tsy natory tao amin’ny toerana voatokana ho an’ny traboina indray no betsaka nahazo ny fanampiana. Niezaka nanontany ny lehiben’ny vaomiera ny mpanao gazety momba ny fandridrana ny fizarana ny tapakila saingy tsy nety nitondra fanazavana izy ireo. Naharitra ora maro ny savorovoro teny amin’ny ANS Ampefiloha omaly nandritra ny fizarana fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ireo traboina .
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT