Sosialy

Mitaraina ireo mpivarotra Mihena be ny fanjifan’ny olona vary


  • Zoma 17 Martsa 2023

Mihena be mihitsy ny fanjifan’ny olona vary eny an-tsena eny amin’izao fotoana. Tsy mahalany vary iray gony intsony ny mpivarotra iray ao anatin’ny herinandro,

 raha araka ny fanadihadiana natao, indrindra fa vary gasy. Mikasika ity farany manokana mantsy dia tsy mitsahatra miakatra ny vidiny no sady mbola manahirana ihany koa ny mitady azy.
MATY ANTOKA
Lasa alaina 3600 Ar ny iray kilao aminy any amin’ny mpambongady ary amidy 3800 Ar rehefa tonga eny an-tsena. Alaina 3500 Ar kosa ny vary makalioka iray kilay ary hamidy 3600 Ar. Tsy zakan’ny vahoaka intsony izany, antony manosika ny sasany hivadika hividy katsaka maina indray amin’izao izay marihina fa efa mahatratra 1100 Ar ihany koa ny iray kapoaka raha 600 Ar teo aloha.
4 KAPOAKA
Na mividy vary aza ny tokantrano iray dia nambarany fa tsy mihoatra ny 4 kapoaka isan’andro intsony izany noho ny fahasahiranana. Nomarihin’ireo mpivaro-bary moa fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidim-bary ho 100 Ar isan-kapoaka isan-tapa-bolana fa tsy avy amin’izy ireo velively.
Pati
Legende : Miaka-bidy hatrany ny vary eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT