Sosialy

Mitaraina ireo mpiasa Tsy mipetraka ny lalàna fototra momba ny asa


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Izahay mpiasan’ny orinasa afakaba angamba isany mampidi-bola anaty kitapom-bolam-panjakana nefa tsinontsinoavin’ny mpitondra rehefa misy fampiakarana karama,

hoy ny mpiasana orinasa afakaba iray, Rajaona Mandimbisoa. Miantso ny filoham-pirenena izahay, hoy izy, hoe jereo izahay satria raha misy ny fampiakaran-karama any amin’ny fanjakana hatramin’izay dia ataonao isan’ambaratonga ilay izy. Aty amin’ny sehatra tsy miankina anefa tsy izay fa lasa mampisavorovoro anay mpiasa, hoy hatrany ny tenany. Araka ny nambaran’I Ravelonjafy Basile, delege ao amina orinasa iray, kosa dia maniry toy ny anana ireo mpiambina na “sécurité” toa azy eto Madagasikara. Mandray andraikitra momba ny filaminana anatiny eto amin’ny firenena izahay, hoy izy. Betsaka anefa ny orinasa momba ny fiambenana izay tsy manara-dalana ary manitsakitsaka zon’ny mpiasa tanteraka ao anatin’ny fampiasana olona. Mitombo ny ora iasana. Tsy voafaritra koa ny toerana. Tsy manara-dalana na ny karama, na ny asa, na ny ora iasana. Mangataka amin’ny fanjakana izahay hanakatona ny orinasa tsy manara-dalana hisokafan’ny manara-dalàna, hoy hatrany ny tenany. Ho anay misehatra amin’ny lamba na “textile” kosa indray, hoy ny mpisehatra amin’izany, Lalao Nirina, dia maninona ny mpandraharaha eto Madagasikara no minainaina vao misondrotra kely ny karama fa maninona ny orinasa misehatra amin’io any ivelany mahavita manakara an-tapitrisa maro no sady mampiantrano sy miantoka sakafo? Ny lalana fototra ara-kasa mihitsy izany no tsy mipetraka eto. Ny tanora malagasy lasa misehatra any ivelany dia rehefa misy anefa ny maty dia may ny fanjakana mampody azy. Samy Dolara no hamarotana ny vokatra eto sy any nefa resaka 250.000 Ariary dia mampinainaina ny mpampiasa ka mangataka ny fitondram-panjakana hijery ifotony ny zava-misy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ravelonjafy Basile
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT