Sosialy

Misintona lakolosy ny FISEMARE Avoahay ny lalàna momba ny fifehezana ny “robotisation”


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Taorian’ny fizaran’izy ireo izay voatsirambin’ny tanany ho an’ireo mponina eny Anjanahary, izay misy ny foibeny, dia niresaka ny tohin’ny fanadihadiany momba ny fampidirana olom-by na “robotisation”

eto Madagasikara ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE ny sabotsy teo. Notsiahivin’izy ireo fa efa am-polo taona mahery no nidiran’izany teto Madagasikara. Vokatr’izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, dia maro koa ny fihenan’ny isan’ny mpiasa. Tsy ratsy akory ilay fandrosoan’ny teknolojia fa mbola betsaka ny tsy an’asa eto Madagasikara. Hiteraka fihenan’ny isan’ny mpiasa indray, noho izany, ny fampidirana an’io nefa tsy misy ny famoronana asa vaovao. Miantso ny amin’ny tokony hisian’ny lalàna hifehezana ny fidiran’izany “robotisation” izany eto noho izany ny FISEMARE. Voka-dratsy tsy azo heritreretina tsinona no haterak’io eto amin’ny tany sy firenena raha tsy voafehy. Na ny volan’ny CNaPS aza mety ho ritra satria hihena ny isan’ny mpandoa latsakemboka. Atahorana ny fandriampahalemana satria hitombo ny tsy an’asa eto Madagasikara. Fotoana izao hanaovana ny fanadihadiana hoe firy ny orinasa miditra tsikelikely amin’io fanoloana olombelona amin’ny masinina na “machinisation” sy olom-by na “robotisation” io. Miantso ny fanjakana hamoaka lalàna hifehezana izany fa tsy mbola mety amin’ny firenena mahantra toa an’I Madagasikara izany. Ny orinasa misehatra amin’ny fampiasana mpiasa betsaka toy ny fanjairana na “broderie” sy fanenomana na “tricotage” no tena efa miroso amin’ny “robotisation”. Orinasa iray izao no fantatra fa nanena mpiasa ny taona 2013 vokatr’izay fahazoana masinina izay. Lasa nanana olom-by na “robot” miisa 250 ilay orinasa. Noroahiny ireo mpanjaitra. Nisy orinasa iray nanana mpiasa miisa 200 koa izay nampiditra “robot” 650 dia nandroaka mpiasa 170. Mpiasa miisa 30 izany izao sisa mijanona ao ary manara-maso ny ataon’ireo “robot” fotsiny no antony hitazomana azy ao. Orinasa miisa 3 izao no hanananay dosie manontolo nandritr’izay 3 volana nanaovanay fanadihadiana izay, hoy hatrany ny sekretera jeneraly. Ny ekonomiantsika eto tsy voafehy, hoy kosa ny filoha nasionaly, Francine Randrianarisoa. Mitobaka ny friperia, hoy izy. Maty ny vokatra eto. Dia mbola izany ihany ve no atao, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT