Sosialy

Miray feo ireo mpivarotra “Tsy misy ambakainao amin’ny SMGD izany eto e ! »


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Vaky ny ady eo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra manerana ireo tsena 30 ara-dalàna eto amintsika.

Samy tsy misy manaiky ny hitantanan’ny SMGD ny tsena avokoa mantsy izy ireo, fanapahan-kevitra izay hiraisan’ny rehetra ary nanaovany fanambarana tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambaran’ny solontenan’izy ireo nandritra izany fa ny SMGD mihitsy no tsy mety amin’izy ireo. Ny kaominina ihany no aoka hitantana ny tsena hoy ireo mpivarotra fa tsy omena olon-kafa. Tsy fantatra mazava intsony mantsy amin’izy ireo ny ao ambadik’ity SMGD ity. Raha araka ny feo mandeha tonga any am-poto-tsofin’ireo mpivarotra mantsy dia horaisin’ity SMGD ity ny 60%-n’ny vola azo avy amin’ny tsena raha an’ny kaominina kosa ny 40%. Misy ihany koa ireo milaza hoy hatrany ireo mpivarotra fa 40% sy 40% no azon’ny SMDG ary tsy fantatra izay lalan’ilay 10% ambiny. Nabaribariny omaly ihany koa fa sary namboarina iny navoakan’ny kaominina tamin’ny tambazotran-tserasera iny fa tsy mpivarotra ara-dalàna eto Antananarivo renivohitra izany. Sary namboarina hoy izy ireo mba handresena lahatra anay mpivarotra nefa vao mainka mahasorena anay satria feno lainga. Nanamafy araka izany ireo mpivarotra ireo fa mahira-tsaina tsara ka tsy tokony ambakaina. Fehiny, tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hisian’ny SMGD izy ireo na dia efa nanazava aza ny Ben’ny tananan’Antananarivo fa digitalisation no hatao hampisy ny mangarahara amin’ny fitantanana.
Pati
Legende : Ireo mpivarotra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny Railovy Analakely
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT