Sosialy

Miralenta Misy herisetra tsy fantatry ny maro, sazian'ilay lalàna vaovao


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Lany teny anivon’ny antenimieram-pirenena tamin’ny 13 desambra lasa teo ilay volavolan-dalàna malagasy voalohany momba ny herisetra mifototra amin’ny miralenta na dia somary nisy ihany aza ny savorovoro manodidina an’izany.

 

 

 

Antony, araka ny fantatra, ny fahataran’ny fahatongavan’ilay lalàna teo anivon’io Andrim-panjakana io, ka tsy nanam-potoana nandinihana azy, ireo depiote. Efa dingana iray lehibe mankany amin’ny fisorohana ny herisetra izao vitan’i Madagasikara izao, hoy ny depiote Masy Goulamaly, filohan`ny vaomiera misahana ny miralenta sy ny fampandrosoana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Raha ny antontan’isa nivoitra tao anatin’ilay fanadihadiana atao hoe : MICS 2018 mantsy izao, dia vehivavy 1 amin’ny 4 eto amintsika no iharan’ny herisetra nataon’ny olona akaiky azy. Fa tsy ny vehivavy irery akory no arovan’ity lalàna ity, na ny lehilahy ihany no saziany, satria mety mahakasika ny olona rehetra ny herisetra na lahy izy na vavy na tahaka ny ahoana ny fiaviany, ny fari-pahaizany, ny fari-piainany… Misy ihany koa ny karazana herisetra izay tsy eritreretin’ny maro ho herisetra akory. Anisan’izany, ohatra, ilay atao hoe : « outrage sexiste », izay karazana fihetsika na fiteny manambany ny mahalahy na mahavavy ka mandona ny sain’ny olona iharany. Mety handoavana lamandy100 000 Ariary hatramin’ny 500 000 Ariary ny fanaovana an’izany, ao anatin’ity lalàna momba ny herisetra mifototra amin’ny miralenta ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT