Sosialy

Miparitaka eny an-tsena ny manga Tokony hohanina madio foana


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Manomboka miparitaka eny an-tsena tsikelikely ny vokatra manga efa ho tapa-bolana mahery izao.

Tsy tena masaka ny ankamaroan’izy ireny, antony mahatonga  ireo  mpivarotra sasany hamadika azy ho lasary, amin’ny vidiny 200 Ar isaky ny mihinana.  Mbola betsaka amin’ny mpanjifa no tsy sahy mihinana azy ireny noho ny  resaka mandeha fa mbola mankarary ny manga tsy latsak’orana. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Ratafika dia efa azo hanina tsara ny  manga  raha ireo karazana avy any Antsiranana izay efa  miparitaka eny an-tsena ankehitriny. Ho an’ireo karazany avy any amin’ny faritra hafa kosa dia mety sy tsara kokoa raha miandry orana kely ny fihinanana azy ireny. Ny manga latsak’orana mantsy dia mampatoy azy  ka tsy atahorana intsony ny aretin-kibo. Ny manga mbola manta  kosa dia saro-devona hany ka mampanahy kely ho an’ireo manana olana eo amin’ny fandevonan-kanina. Ilay marikivibe amin’ny tsirony ihany koa eo an-danin’izay hoy hatrany dokotera Ratafika dia mety hanakorontana ny taova rehetra ao anaty. Ny loto avy amin’ny manga no tena mankarary kibo raha ilay atodi-moka mipetaka aminy kosa no ahiana  mety hiteraka tazo ka ilaina diovina sy sasana tsara vao hanina.Tsiahivina fa 1.000 Ar ny iray kilao amin’ny manga  amin’izao eny amin’ny tsenan’Anosibe raha 3.000 Ar kosa ireo entina mandehandeha.

Pati

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT