Ministeran’ny varotra sy fanjifana “Tsy tokony hihoatra ny 2000Ar

kg ny vary nafarana”


  • Talata 31 Aogositra 2021

Mitohy hatrany ny fandrindrana ny famatsiana ny tsena anatiny ho fiarovana ny mpanjifa, hoy ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.

 Nihaona tamin'ny fikambanan'ny mpanafatra vary avy any Toamasina ny Ministra Edgard Razafindravahy omaly 30 aogositra maraina teny Ambohidahy ho fandaminana ny famatsiana ny vary izay foto-tsakafon'ny Malagasy. Araka ny fanazavana, 400.000 taonina hatramin'ny 500.000 taonina ny banga tsy maintsy ho fenoina amin'ny fanafarana. Tsikaritra fa efa misy fidinany ihany ny vidim-bary eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Noho izany, tsy tokony hihoatra ny 2000 ariary ny vary hafarana tonga eo amin'ny tsena anatiny, hoy ny Minisitera. Betsaka ny resaka an-databatra momba ity fifehezana ny vidim-piainana ity, saingy miandry ny fahatanterahany mba tena hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra. Tsiahivina, fa ny herinandro lasa teo no nilaza ny Fanjakana fa hametra ny vidin’entana izay hihatra manomboka amin’io volana septambra higadona afaka ora vitsy io. Tsy tokony hihoatra ny 6000 ariary ny litatra amin’ny « huile de palme » antsinjarany. 7500 ariary kosa ny litatry ny menaka amin’ny tavoahangy ho an’ny “huile de soja” raha tsy hihoatra ny 7000 ariary ny litatra amin'ny “en vrac”. Ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 ariary ny iray kilao; ny lafarinina tsy hihoatra ny 2600 ariary ny iray kilao, ny vary tsy hihoatra ny 2300 ariary ny iray kilao. Mihatra amin’ny entana vokarina eto an-toerana io. Andrasana ny fivoahan’ny peta-drindrina eny amin’ny mpivarotra sy ny fahatanterahan’ny fampanantenana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT