Sosialy

Ministeran’ny rano Hanampy ny kaominina amin’ny fanadiovana an’Antananarivo


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Hanampy ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanadiovana ny tanana manerana ny Boriborintany enina ny Ministeran’ny rano, tarihin’ny minisitra Roland Ravatomanga.

 

 Ankoatra ireo kamiao lehibe 11 isa mahazaka fako 20 taonina isanisany efa tonga ary noraisina teny amin’ny SAMVA Ampasampito  mantsy dia fantatra ihany koa fa  ho avy tsy ho ela ireo kaominina lehibe miisa dimy mahazaka fako 25 ka hatramin’ny 30 taonina isanisany. Ny mba hahafahana manampy ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanadiovana ny tanàna no nambaran’ny minisitra Roland Ravatomanga fa anisany anton’izany no sady hahafahana miady amin’ny aretina Pesta ihany koa.  Hiampy ireo daban-jaoridira vaovao miisa 51 haparitaka eto an-drenivohitra ireo kamiao ireo koa miantso ny mponina tsy an-kanavaka  ity Minisitra iray ity mba hanaja ilay ora fanariana fako eto an-drenivohitra efa napetraky ny kaominina. Fa tsy adinon’ny minisitra ny resaka famatsiana rano fisotro madio amin’ny maha-ministry ny rano azy. Hanohy ilay tetikasany efa nanomboka tamin’ny taona 2016 entina hamatsiana rano fisotro madio ireo mponina any amin’ny Faritra atsimon’ny Nosy ny minisitry ny rano Roland Ravatomanga. Hitohy hatramin’ny taona 2019 izany raha araka ny fanazavany mba  hahafahana mampitombo ny salan’isan’ireo mponina mahazo rano fisotro madio eto amintsika. Efa eo am-pitadiavana ny vola ho enti-manana amin’izany ity ministera iray ity raha araka ny fantatra. Tsiahivina moa fa mankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny ministeran’ny rano ankehitriny. Hetsika maro no entin’izy ireo hanamarihana izany izay nosantarina tamin’ny fizarana Kits scolaire ho an’ireo zanaky ny mpiasa eo anivon’ity ministera iray ity ny Talata hariva lasa teo.

 

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT