Sosialy

Ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga Hametraka ilay komity handrindra ny asa fampandrosoana


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Ny 90%-n’ny asa fitaterana eto Madagasikara dia saika eny ambony ranomasina avokoa.

Na izany aza manana ranomamy ihany koa isika eto Madagasikara toy ny lakan-dranon’i Pangalana raha araka ny tafa nifanaovan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga tamin’ny mpanao gazety omaly. Fantatra fa hanatsara ny fomba fiasany hatrany izy ireo. Taorian’ny nananganana ilay komity handrindra ny asa fampandrosoana momba ny resaka jono sy ny toe-karena manga eto amintsika dia nisy indray ny dinika sy fametrahana paikady niarahan’ny roa tonta omaly. Tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny fomba fiasa amin’ny endriny rehetra entina hanatsara ny toe-karena eto amintsika. Hapetraka araka izany ny paikady nasionaly. Toraka izany koa ny politika nasionaly amin’ny fitantanana ny rano raha efa mandeha ny fanetrahana ny drafi-panajariana mifandraika amin’izany eto Madagasikara. Tsy hijanona eto amin’ny faritra Analamanga ihany moa ity komity ity fa ezahina haparitaka manerana ny Nosy mihitsy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT