Sosialy

Minisitry ny tontolo iainana “Ampiharina ny lalàna, tsy azo ekena ny tsindry”


  • Alarobia 24 Jona 2020

“Nahomby tanteraka ny fanatontosana ny tetikasa “tolérance 0” izay nanomboka nampiharin’ny ministera ny volana aprily teo,

 

 

 tao anatin’ny fihibohana” hoy Baomiavotse Raharinirina, minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD), nandritra ny tetikasa mikasika ny fitantanana ala arovana omaly. Marobe ireo fandikàna hita ary nisy fanagadrana natao, toy ny olona iray izay saika hamoaka hazo sarobidy antsokosoko. Miompana amin’ny fiaraha-miasan’ny zandary, pôlisy, ary ny fitsaràna koa moa ny tetikasa “Tolérance 0”, hoy hatrany ny minisitra. Hiezaka hamerina ny rehetra amin’ny fahampanarahan-dalàna ny MEDD, ary mampihatra ny lalàna velona efa misy ihany koa. Hentitra no nilazany fa “Ny ministeran’ny tontolo iainana dia tsy manaiky ny tsindry sy ny fanalefahana ny sazy amin’ny fandikan-dalàna momba ny tontolo iainana, na inona na inona antony. Tsy eken’izy ireo intsony araka izany ny fandoroana ny ala ary mangataka ny hampigandràna izay manao izany.” Nambaran’ ny minisitra Baomiavotse Raharinirina fa rehefa miara-dalana ireo tokotelo ireo dia mankany amin’ ilay fitantanana mirindra. Harem-pirenena malagasy mantsy ny ala hatramin’izay hatramin’izao, ka tokony tandrovana foana, hoy hatrany izy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT