Sosialy

Minisitry ny mponina Manao “télétravail” avy eny Anosiala


  • Zoma 27 Martsa 2020

Somary gaga ihany ireo mpanara-baovao mahita ny tale jeneraly misahana ny fiahiana sosialy misolo tena ny ministra Naharimamy Lucien Irmah isaky misy fivoriana na koa hetsika ataon` ny ministera foibe amin` izao fiatrehana ny “coronavirus” izao.

 

 

 Marihana fa  taorian’ny fiverenany avy namonjy fivoriana niarahana tamin’ny banky iraisam-pirenena tany Washington - Etats Unis ny alahady 15 martsa teo dia tsy afaka mivoaka ny toerana misy azy Ramatoa Minisitra raha tsy afaka 14 andro mba ho  fanajana sy fanarahana ny fanapahan-kevitra noraisin’ ny fitondrana mikasika ny fivezivezena any ivelany. Araka ny fantatra dia mihiboka ao amin`ny hopitaly Anosiala Ambohidratrimo izy. Noho izany dia manao “télétravail” ity minisitra ity, izany hoe manao asa amin`ny alaln`ny aterineto toa an` ireo mpiasa maro eto an-drenivohitra. Izay fivoriana na hetsika manokana dia hahenoina hatrany ny hoe “araka ny toromarika avy amin-dRamatoa minisitry ny mponina”. Hita amin` ny pejy fesibokin` ny Minisiteran'ny mponina raha teo izany. Fotoana ilàna azy tanteraka izao fiatrehana ny COVID-19 izao eto Madagasikara kanefa izy moa tsy ao. Hita avokoa moa ireo ministra sasany manao ny asan` ny hafa satria tsy voakasika amin` izany ny minstera sahaniny. Ny ministry ny tontolo iainana ohatra dia nanentana hatrany ny teo amin`ny fanadiovana tanana na dia tsy misy hifandraisana amin` ny sampandraharaha sahaniny izany. Toy izany koa ny ministry ny harena an-kibon` ny tany, izay nanome ireo toromarika manoloana ny fitaterana. Raha tsiahivina, ny Minisitry ny Mponina Naharimamy Lucien Irmah dia nitarika ny delegasiona Malagasy amin’ny fihaonana miaraka amin'ny banky iraisam-pirenena natao aty Washington – Etazonia nanomboka ny 9 martsa 2020 teo. Fihaonana nitadiavana fanatsarana sy fanampiana ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina indrindra ny vehivavy eto Madagasikara.

 Marigny A. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT