Sosialy

Minisitry ny jono “Bakteria tamin’ny sokatra efa maty no mamono olona”


  • Talata 28 Jona 2022

Mitombo isa hatrany ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny fihinanana ilay henan-tsoka-dranomasina antsoina hoe : Fanohara tany amin’ny kaominina ambanivohitra Volobe, distrikan’i Morondava.

Tafakatra 10 izy ireo hatramin’ny omaly ka zaza amam-behivavy no betsaka. Raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny jono dia ahiana ho noho ny bakteria tamin'ilay hena-tsokatra izay efa maty andro maromaro talohan’ny nihinanana azy no nitarika ilay fanapoizinana sy ny fahafatesan'olona tahaka izao. Nohamafisiny araka izany ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo marary izay mbola mahatratra 140 isa ankehitriny ary samy mbola tazonina ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Morondava avokoa. Mbola maimaimpoana hatrany moa ny fandraisana an-tanana azy ireo hoy ny vaovao. Ny 24 jona lasa teo raha tsiahivina no niseho ity fahapoizinana ara-tsakafo ity ka fanina, nandoa ary nivalana avokoa ireo olona lasibatra rehetra, antony tsy nahatazonan’ny sasany ny ainy intsony.


Tsara ho marihana fa efa mpitranga isan-taona ity fihinana fano mahafaty olona ity, ka mila hamafisina sy atao hentitra kokoa angamba ny fepetra fanarahamaso sy indrindra fa ny fanentanana ny olona amin’ny toerana misy azy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny Ministry ny Jono sy ny toeekarena manga Mahatante Paubert, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT