Sosialy

Minisitry ny filaminam-bahoaka Nanampy ireo zaza kambotin’ny polisim-pirenena


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Tsy nanadino ireo kamboty tezaina etsy amin'ny akany Ambatolampy ny

 

 

Minisitry ny filaminam-bahoaka Contrôleur général Randrianarison Fanomezantsoa sy ny vadiny, ireo hehibe eto anivon'ny Polisim-pirenena ary ireo mpiara-miasa isan-karazany eo anivon'ny Polisim-pirenena amin’izao ankatoky ny fety izao. Ny sabotsy 12 desambra teo, nanome fankaherezana ho an'ireo Zaza kamboty ny Minisitra mba hilofo amin'ny fianarana ka hanana ho avy tsara sy mamiratra. Amin'ny maha Raiamandreny azy dia tsy adinony ny nanolotra fanomezana ho an'ireo ankizy niaraka tamin'ny dadabe noely. Ho an'ireo ankizy afa-panadinana kosa dia mbola nahazo fanomezana manokana ihany koa izy ireo ho fankasitrahana ny dingana vita sy ho famporisihana hatrany amin'ny ezaka izay mbola tokony ho atao. Anisany nanamarika ny fotoana ihany koa ny fahatongavan'ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana niaraka amin'ny vadiny izay ankasitrahana azy ireo satria tsy vitan'ny tonga teny an-toerana izy mivady fa mbola nanome bisikileta ho an'ireo afa-panadinana BEPC sy “Baccalauréat”. Nofaranana tamin'ny fiarahana misakafo niaraka tamin'ireo ankizy moa ny lanonana ary tsikaritra ny hafaliana nisy teo amin'ny ankizy tsirairay, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT