Sosialy

Minisitry ny fambolena sy ny PAM Nidinika fampiroboroboana fihariana apemba


  • Talata 17 Janoary 2023

Nihaona tamin’ny minisitry ny fambolena sy fiompiana, Ramilison Harifidy, sy ireo tomponandraikitry ny MINAE tao Anosy ny delegasiona avy amin’ny PAM,

izay notarihin’ireo tomponandraikitra mpanatanteraka na “Deputy Executive Director », Manoj Junera sy ny “Regional Director”, Menghestab Haile, omaly 16 janoary 2023, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nifampizarana nandritry ny fihaonana ny tetikasa Rapid Rural Transformation na RRT, tetikasa izay entin’ny PAM hamahana ireo olana mianjady amin’ireo mponina any atsimo toy ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Fomba fiasa entina manatanteraka ny asa ny « approche NEXUS » izay mijery manokana sy mampifandray ny sehatry ny rano, ny angovo ary ny sakafo. Ny tetikasa RRT dia hametraka « kits solaires » hahafahana mamokatra herinaratra mahatratra 25kw ary hahafahana indrindra manodina ny paompy “hydraulique” hanondrahana ny voly. Tanjona lehibe amin’izany ny hanampiana ireo mpisitraka ny tetikasa hampiroborobo ny famokarany, hiatrika ny tsy fanjarian-tsakafo ary hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo. Nandritry ny fihaonana dia nanamafy ny fanohanana ny fitondram-panjakana malagasy ny PAM amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampiana ara-tsakafo any atsimo. Nambaran’ny “Deputy Executive Director” fa tsy fanohanana ara-tsakafo amin’ny fotoanan’ny hamehana ihany no imasoan’ny PAM fa hametraka fiaraha-miasa maharitra amin’ny fitondram-panjakana hahafahany miatrika sy miomana amin’ireo loza voajanahary isan-karazany. Ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana kosa dia nidera sy nandrisika hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny PAM indrindra amin’ny fametrahana ireo tetikasa laharam-pahamehana iantohana ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, anisan’izany ny fampiroboroboana ny seha-pihariana apemba, mangahazo ary ny fametrahana bankin-tsakafo ho fitehirizana ny vokatra ary ho fanamafisana ny fahafaha-miatrik’ireo mponina, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT