Sosialy

Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana « Ho tratrantsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo »


  • Talata 26 Janoary 2021

Hanomboka ny tetikasa Bas Mangoky, izay efa am-polo taonany no niketrehana azy,

 

 

 

tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Fanjakana ara-bola. 61,7 tapitrisa eo no haompana amin’izany, hoenti-manajary ny lemaka ahafahana mampitombo ny famokaram-bary eto Madagasikara, ka 9000 Ha eo no hanombohana ny fanajariana, raha ny voafaritra tany am-pamolavolana ny tetikasa. “Mpampiasa vola ireo, fa ny hiasa ao dia teknisianina Malagasy. Efa vita Fitsirihana ny kalitaon’ny tany, ny faritra efa voafaritra mazava, efa mametraka ny fotodrafitrasa hametrahana teknisianina any Ankiliabo. Tsy maintsy vitaina amin’ity fotoana hiasan’ny Filoha ity ilay tetikasa. Paikady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanitarana ny velearan-tany famokarana.Tsy maintsy tratra ao anatin’izao fitondrana izao ny fahavitan-tena ara-tsakafo”, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Lucien. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Mionjo avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena io, ary ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) ihany koa dia hanampy. Hampitomboina ny famokarana hatomboka any Ihorombe, Atsimo Andrefana, Anosy, Androy, ka efa hita daholo ireo toerana azo hamokarana. Efa misy ny vita, ao anatin’ny paikady lehibe ny fampiasana masomboly, izay ahafahana mahazo vokatra avo roa heny na mbola tsy misy aza ny fikitihana sy teknika amin’ny tany famokarana. Ampitomboina ny famokarana amin’ny alalan’ny FDA (Fonds de developpement Agricole), natao hamatsiana mivantana ny mpamokatra, ary efa manenika ny faritra 22 amin’izao fotoana izao ny FDA. Misy ny tohana tsy haverina, raha ny fanazavana. Na izany aza, tena tsy maintsy ho tratra ao anatin’izao fitondrana izao tokoa ve ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara araka io karazana velirano io ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT