Sosialy

Minisitry ny atitany “Sazio avy hatrany izay mpanararaotra”


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Nanome baiko sy nanentana ireo tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa toy ny prefe sy ny solontenam-panjakana any amin’ny distrika ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin omaly,

ny mba handraisan’ireo fepetra eo anatrehan’ny fanararaotana amin’izao fahasahiranam-bahoaka izao. « Tsy tokony hisy tobin-tsolika mihoatra ny vidiny izay noferan’ny Fanjakana. Mila arahi-maso ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra hoe : niakatra ny solika dia hampiakatra ny vidin’entana hihoampampana. Tombotsoam-bahoaka no jerena, ka tsy tokony hifanararaotra. Hampiharina ny sazy eo anatrehan’ny fanararaotana », hoy ny toromarika avy amin’io minisitra io. Mila jerena akaiky ireo manafina solika tsy ara-dalàna mety ataon’olon-tsotra na mpandraharaha, na koa ny orinasan-tsolika manafina ny tahiry avy eo mampiakatra. Atao izany mba hialana amin’ny fanararaotana ary tokony hahay hifampitsinjo ao anatin’ny fahasarotana raha ny toromarik’io minisitra io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT