Sosialy

Minisitra teo aloha Chabani Nourdine Nitondra fanampiana tany Atsimo


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Nipoitra ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana teo aloha tamin'ny Fitondrana Rajaonarimampianina dia Atoa Chabani Nourdine,

 

 rehefa tsy dia re feo sy tsy re tsaika firy tao anatin'ny fotoana naharitra. Manoloana ny fisian’ny « Kere » any amin’ny tapany Atsimo izay mahakasika kaominina maromaro, dia nanamafy ny tolo-tànana izay efa nataony izy, izay mpandraharaha ara-toe-karena zanaky ny Faritra Anôsy, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Natokana hividianana fitaovana fampiasa an-dakozia (vilany, lovia, sotro) mba hampiasana eny anivon’ireo toerana ikarakarana sakafo mafana ho famonjena ireo mpiara-belona izay mila izany io Fanampiana io, raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra Anôsy. Marihina fa nitondra fanampiana momba ireo fitaovana fampiasa an-dakozia ireo ihany koa ny orinasa D-Service amin’izao fiatrehana ny « Kere » aty Atsimo izao, hoy ny fampitam-baovao. Nandray ity Minisitra teo aloha ity moa ny Governoram-paritra Jerry Hatrefindrazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT