Sosialy

Minisitra lefitra misahana ny fiompiana “Tsy misy hena notsindronina formol izany eny an-tsena”


  • Alarobia 10 Mey 2023

Niparitaka tao anatin’ny andro vitsy izay ny tsaho milaza fa misy amin’ireo hena amidy eny an-tsena toy ny eto Antananarivo no notsindronina “formol”.

Manoloana, nisy ny fanambarana mandiso izany nataon’ny minisitra Lefitra misahana ny Fiompiana, Dr Raymond, nontronin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ ny Fiompiana sy ny Filohan’ny Codex alimentarus eto Madagasikara sady solontenan’ny avy ao amin’ny DSV (Direction des Services Vétérinaires). Navoitra tamin’izany fa, misy ny fitiliana ny fahamarinan’ny fahasalaman’ny hena ataon’ireo Véterinaire Inspecteur alohan’ny hiakarany eny ambony ankalana. Marihina amin’ny alalan’ny “estampille” izany na ilay marika mangamanga hita amin’ny hena. Zo feno sy andraikitry ny mpanjifa no mijery sy mitaky ny fisian’izany marika izany na koa misava ny boky firakentana manambara fa voatsara ara-dalana ny hena amidy, hoy ny fanamarihana. Nohazavaina ihany koa fa ny fividianana « Formol » dia tsy maintsy misy taratasy mazava na “sous-ordonnance” na “prescription médicale” fa tsy azon’ny rehetra vidina toy ny karazam-panafody sasany. Fantatra amin’ny fofona mahery sy manaikitra ao anatiny izay tena sarotra afaka na dia kely aza no ampiasaina, ka noho izany dia azon’ny mpajifa atao tsara ny manamarina ny hena vidiana raha misy tokoa sanatria ny manao izany zavatra tsy mety izany, hoy ny toromarika. Nohamafisina fa mbola misy ihany koa ny fitsidihina ataon’ny « Vétérinaire inspecteur de contrôle » na efa eny ambony latabatra aza ny hena, ary eny an-dalana ny fiara mpitatitra hena dia mandalo fitsirihan’ny zandarimaria, hanamarinana fa ireo hena taterina dia niainga tao amin’ny toerana famonoana ary nandalo fitiliana ara-dalana. Nilaza noho izany ny Minisitera, fa azo lazaina ho fanakorontanana sy fampihorohoroana saim-bahoaka ny fanamparitahana vaovao tsy mari-pototra amin’ny tambajotran-tserasera, ary famotehana ny tontolon’ny toe-karena eny ambanivohitra ka tsy azo ekena, hoy ny Minisitra lefitra. Misy noho izany ny fanentanana ny rehetra mba hanantona ny tompon’andraikitra mahefa raha misy zavatra mampiahiahy, mialohan’ny hanaparitahana vaovao tsy marim-pototra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT