Sosialy

Minisiteran’ny raharaham-bahiny Mpiasa “ECD” an-jatony very asa


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Mpiasa an-jatony no tapaka fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny taorian'ny fivoahan’ny “note de service N°19/128 AE/SG/DRH/SAP” ny 22 febroary lasa teo.

 

 

 Miisa 100 mahery ireo mpiasa ao anatin’ireo tsy mbola raikitra na “ECD”, izay misy efa am-polony taona tao, raha ny fampitam-baovao. Raikitra ny fandroahana mpiasa tsy raikitra, izay mety ho fanadiovana no hitondran’ny minisitera azy. Mety ho fanilihana ankitsirano mba hahafahana mampiditra ny akamakama kosa no handraisan’ny an-kilany azy. Ankoatra io, dia miantso ireo olona rehetra nomen'ny Fanjakana "passeport diplomatique" kanefa efa tsy voairaka hanao asa any ivelany intsony mba hamerina izany ao anatin'ny 15 andro ny minisiteran'ny raharaham-bahiny. Raha tsy mamerina ao anatin'izay fe-potoana izay dia tsy hanan-kery intsony io pasipaoro io ary tsy hahazo fanavaozana ao anatin'ny herintaona ny nampiasa azy, hoy ny fampitandremana. Tsy an-kitsitsy ny fanapahan-kevitra raisina eo anivon’ity minisitera ity satria vao tsy ela ihany koa izay no nandraisana fanapahan-kevitra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny fanafoanana ny didim-panjakana nanendry masoivoho niasa tany ivelany miisa 9. Mahatratra 50 tapitriasa ariary eo ho eo isaky ny iray ny karazana tamby amin’ny fampodiana azy ireny, izay anjaran’ny fanjakana.

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT