Sosialy

Minisiteran’ny mponina « Tokony hifanaraka amin’ny vola miditra ny zaza ateraka »


  • Zoma 25 Martsa 2022

13 taona dia efa misy miteraka ireo vehivavy eto amintsika indrindra fa ny any amin’ny faritra. Ankoatra izay dia misy ireo mahatratra hatrany amin’ny 6 ny zaza ateraky nefa tsy mifanaraka

 amin’izay akory ny vola miditra ao an-tokantrano. Ho an’ireo sokajin’olona sahirankirana raha araka ny fanadihadiana natao dia zary lasa karazan’ny fialam-bolin’izy ireo mihitsy ny fanaovana firaisana ara-nofo. Tsy misy afa-tsy ny eo am-pandriana mantsy no hiarahana hoy ny Renim-pianakaviana iray rehefa reraky ny fitadiavana hanin-ko hanina iny. Vokany, mitombo isa andro aman’alina ny zaza Malagasy. Nirotsaka an-tsehatra nanao fanentanana mifandraika amin’izany omaly ny Minisiteran’ny mponina notarihin'ny Minisitra Soafilira Princia, notronin'ireo solombavam-bahoaka sy ireo manampahefana ao amin'ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra.Fikambanam-behivavy miisa 50 nahitana ireo vehivavy mpilalao baolina lavalava, mpanasa lamba ary ireo vehivavy marefo ara-pivelomana eto an-drenivohitra miisa 2.200 no nanaovana fanentanana tamin’izany narahana fizarana fanampiana ara-tsakafo, fitaovana ho an'olona manana fahasembanana sy fitaovana fanasana lamba. Anisan’ny politika apetraky ny Minisiteran’ny mponina moa manomboka izao ny hanofana ireo vehivavy mba hananan’izy ireny asa fivelomana maharitra hanampiany ny vadiny. Nampahafantariny omaly ihany koa moa ny fisian’ilay fikambanam-behivavy Miavotse izay azon’ny Renim-pianakaviana rehetra idirana hahafahana manome tanana azy ireny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT