Sosialy

Minisiteran’ny mponina Olona sahirana 1100 no nizarana fotsimbary


  • Alarobia 19 Jona 2019

Nanomboka omaly talata 18 jona ny hetsika fizarana fanampiana ho an’ireo sahirana ara-pivelomana tanterahin’ny minisiteran’ny mponina, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona.

 

 

 

 Olona sahirana miisa 1100 no efa nisitraka izany omaly tao amin’ny stade couvert Ankorondrano, hetsika mbola nitohy teny Ilanivato omaly folakandro ka ireo ankizy sahirana no tena nosinganina. Vary 5 kg isan’olona no natolotra izay avy amin’ny fitondram-panjakana  raha ny sefom-pokontany kosa no nanome ny lisitr’izy ireo.   Hitohy eny amin’ny Orichidée blanche Androhibe ny hetsika amin’ny zoma ho avy izao hizarana arendrina, kilalao, vatomamy ary bisikoitra ho an’ireo ankizy manana fahasembanana, beazina ao an-toerana. Toraka izany koa ireo ankizy marary manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra miatrika ny fetim-pirenena 26 jona ao anatin’ny fifaliana tanteraka eny fa na dia ho an’ireo tsy salama sy niangaran’ny vintana aza.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT