Sosialy

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Namaly ilay resaka 65.000 Ar ny minisitra


  • Zoma 10 Janoary 2020

Taorian’ny fitokonana lavareny nataon’ny mpampianatra dia nivoaka tamin’ny fahanginany omaly Rtoa Volahaingo Marie Thérèse,

 

 

minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arak’asa manoloana ilay “panier garni” 65.000 Ar omena ny mpiasam-panjakana rehetra avy amin’ny filoha. Nambarany fa ireo mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisitera foibe ihany no mahazo io vola io fa tsy ny mpiasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena rehetra akory toy ireo mpampianatra FRAM…. Ny filoham-pirenena mihitsy no nanome toromarika, hoy izy ka vola mitentina 2 miliara sy 382 tapitrisa Ar no anjaranay. Miisa 37.000 kosa ireo mpiasam-panjakana tokony hahazo eo anivon’ny minisitera tantanako saingy nisy ambiny ilay vola. Io ambiny io no nampisalasala anay ka nahatonga anay hanana ilay toe-tsaina tia mizara  hanomezana ireo tsy mpiasam-panjakana nefa mampandeha sy mampihodina ny asa fampianarana manerana ny Nosy. Miisa 17.500 indray izy ireo ary rehefa natambatra ny vola azo omena ny tsirairay dia teraka ilay 9300 Ar nahabe resaka teto amintsika. Nomarihiny moa fa hankasitrahany feno ny fahatongavan’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) ao amin’ny minisitera tantaniny ary hampahafantarina ny rehetra tsy ho ela ny vokany.

Pati sy Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT