Sosialy

Minisiteran’ny fambolena Nisakoroka niady akoho ny mpiasa


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Raikitra ny barofo ka nifandrombahan’ny mpiasa an-terisetra ny akoho hozaraina ho an’ireo mpiasan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP).

 

 

Ny 24 desambra, nanomboka tamin’ny 7ora sy sasany maraina no nasaina tonga naka ny anjarany « panier garni» ireo mpiasa. Tamin’ny 5ora sy fahefany minitra hariva, tsy nisy tokotaniny ihany ny fizarana ka nisahotaka ny mpiasa, maty programa, tsy nihinan-kanina fa niandry ny rariny amin’izay fandaminana. Mba manana adidy sy andraikitra mbola sahanina ihany koa ry zareo any an-tokantranony any fa tsy ampifilafilaina tahaka izao.  Voatery niala tsiny ny minisitra sy ny ekipany ary nambara fa tsy nataon’ny orinasa niandraikitra azy ara-potoana ny kaomandy. Tsy mbola nisy mpiasana minisitera nisakoroka akoho raha tsy tamin’ity 2019 ity. Sa ilay mizara vary menaka sy akoho no mety kokoa ? Tena mahantra sy sahirana ny Malagasy matoa hatrany amin’ny mpiasam-panjakana aza mikorontana sy miady akoho. Etsy an-daniny, manjelanjelatra be Ambohitsorohitra amin’izao vaninandro fety izao hampifalifaliana ny olona. Fandaniana be no natao tamin’io, kanefa ny fanjakana milaza fa ao anatin’ny fitsitsiana. Tsy hasiana ilay fety be fiaraha-misakafo eny Iavoloha. Ny Primatiora milamina be sy toa tsotsotra ny krismasy, izay nifototra tamin’ny fizarana kilalao sy zavatra ilaina amin’ny andavanandro (PPN) ho an’ireo fianakaviana marefo sy sahirana teny amin’ny fokontany Mahazoarivo. Fa efa endrika azo itarafana ny tsy filaminan'ny fitondrana daholo izany amin’ny tsy fahaiza-mandrindra sy mitantana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT