Sosialy

Minisiteran’ny fahasalamana sy ny UNICEF Hanao rodobe hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Hiara-kiasa manomboka izao ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny UNICEF hanao rodobe hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

 

 

Tanteraka omaly tetsy Anosy ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany hanatanteraka ilay tetikasa Pnan na drafitrasam-pirenena ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo. Raha araka ny fantatra tokoa mantsy dia very 750 dolara isan-taona isika eto Madagasikara vokatr’izay tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahazo ny ankizy latsaky ny dimy taona izay. Nambaran’ny profesora Rakotonirina Julio, minisitry ny fahasalamam-bahoaka nandritra izany ary fa eo anivon’ny lafiny teknika kokoa  no hanombohan’ny roa tonta ny fiaraha-miasany, haharitra telo taona. Tafiditra ao anatin’izany ny fikirakirana ireo karazana antontan’isa maro samihafa hahafahana mitady vahaolana haingana. Raha mbola mahatratra 47,3 % ohatra ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahazo ny ankizy eto amintsika dia  ezahina ny hampihena io taha io hatrany amin’ny 30 % hatramin’ny taona 2027. Mitentina 80 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho an’ity  tetikasa izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola raha ny   ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny fanjakana sy ny Unicef  no handray an-tanana izany.  Zaza miisa 5 tapitrisa moa no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany miampy vehivavy 400 000 isa sy mpanentana ara-pahasalamana marobe.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT