Sosialy

Minisiteran’ny fahasalamana Miantso ny olona tsy hanjifa fanafody eny anelakela-trano intsony


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Anisan’ny toerana malaza fividianana fanafody tsy ara-dalàna ny eny Ambohipo. Betsaka ireo efa voafitaka tamin’izany raha araka ny fanadihadiana natao satria tratry ny fanafody efa lany daty nefa mbola tsy mety fay fa mbola mividy eny an-toerana ihany.

 

 

 

Mora mantsy ny fanafody eny an-toerana amin’ny ankapobeny no sady ahitana karazany maro. Nanomboka nanentana ny olona tsy hividy fanafody eny an-toerana intsony ny minisitry ny tontolo iainana Georget Alexandre omaly fanentanana iarahany amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa misy amin’ireny karazam-panafody hamidy eny anelakela-trano ireny no tsy tena izy intsony ka ilana fitandremana tsara. Inoana fa hisy ny fepetra hentitra horaisin’ireto minisitera roa ireto manomboka izao hanafoanana ireny varotra fanafody tsy ara-dalàna eto amintsika ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT