Sosialy

Minisiteran’ny asa – CNaPS Nidina tany Ambanja ny Task Force


  • Zoma 04 Oktobra 2019

5 volana izao no nitsangana ny task force an’ny fiahiana ara-tsosialy,

 

 

 

 

ahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy sy ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS. Ny task force dia mitety

orinasa maro, manao fidinana ifotony, tsy mampilaza fa tampoka ny fitsidihana amin’izany. Mandritra ny fidinana ifotony dia jerena ny momba ilay orinasa na efa mpikambana CNaPS na tsia

ny mpiasa ao. Jerena koa raha efa nanao fanambarana tany amin’ny CNaPS ilay mpampiasa. Raha efa mpikambana CNaPS dia voarotsaka ara-dalàna ve ny latsakemboka, ary manana fiahiana

ara-pahasalamana ve ny mpiasa sy ny vady aman-janany ? Raha fintinina dia ireo no asan’ny task force. Faritra maro teto Madagasikara no efa voatety ka taorian’ny faritra SAVA dia ny

faritra DIANA, izany hoe ny tao Ambanja sy Sambirano iny no nahazo tombony tamin’ny asan’ny task force ny faran’ny volana septambra lasa teo. Naharitra telo andro ny fitetezana orinasa sy tranombarotra isan-karazany. Ankoatra izay, nanokana fotoana ihany koa ny tahirim-pirenena  nampiofana ny mpiasa sy ny mpampiasa tamin’ny alalan’ny atrikasa tao amin’ny Hôtel Palma-nova Ambanja tampon-tanàna. Nampianarina ireo mpiofana miisa 60 mahery fa fifampitsinjovana ara-tsosialy no ataon’ny CNaPS amin’ny alalan’ireo fanampiana omeny dia ny fanampiana ny fianakaviana, ny fanampiana raha tra-doza na marary vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Zo fototra tsy maintsy sitrahan’ny mpiasa ireo araka ny lalàna velona ary mendrika izany ny mponina any Ambanja. Ankoatra ireo dia nohazavaina tamin’ny mpandray anjara ny maha zava-dehibe ny fananana fahasalamana sy ny fananana fahafinaretam-piainana eny anivon’ny orinasa (santé et bien-êtreau travail).

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT