Sosialy

Minisiteran'ny mponina Hanitsy ny paikady politika hiasany


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Manatanteraka ny politikam-panjakana ijerena ny sosialim-bahoaka izahay eto anivon’ny fitantanana ankapobeny ny fiahiana ny sosialim-bahoaka ato amin’ny minisiteran’ny mponina,

 hoy ny tale jeneraly misahana izany na ny DGPS, Rivomanana Tsarahita Ghisbert, manoloana izao odidina na “contexte” misy eto amin’ny firenena izao. Programan’asa lehibe ao anatin’izany ny “Filet sociaux de sécurité” na araton’aina, izay vatsian’ny banky iraisampirenena vola, hoy izy. Ny minisiteran’ny mponina no mpandrindra izany ary ny FID no manatanteraka. Mizara 2 mazava izy io. Eo ilay fiahiana sosialy ho an’ny sehatra mampidi-bola mivantana anaty kitapom-panjakana na “protection sociale contributive” sy ny mifanohitra amin’izay na “protection sociale non contributive”. Ity farany izay mahakasika ireo tokantrano tena marefo aloha no tiako itondrana fanazavana. Io dia fanomezana azy ireo sakafo sy fiofanana ahafahany mitady asa, indrindra, ilay hoe “Tosika fameno” isam-bolana, izay lelavola mitentina 200.000 ariary. Entina hanamaivanana ny fiantraikan’ny vidim-piainana mafy dia mafy amin’izao fotoana izao izany rehetra izany. Midadasika manerana an’I Madagasikara io ary marina fa tsy voatery ny vahoaka Malagasy rehetra no mahazo azy io fa misy ny lisitr’ireo hita fa tena tokantrano marefo aloha izay efa ato amin’ny minisiteran’ny mponina ary tena mila jerena. Rehefa avy eo dia mijery ireo efa manana asa nefa tsy ampy enti-mivelona na ilay voalaza teo hoe “non contributive”. Ny volana may izao no volan’ny fiahiana ara-tsosialy. Hamolavola ny stratejia politika mikasika izany, na marimarina kokoa, fanintsiana ny efa teo izahay ka manentana antsika rehetra mpisehatra sosialy rehefa tonga izay fotoana izay mba hifanantona sy hifanome hevitra hijerena lavidavitra kokoa momba io atao hoe “protection sociale contributive” io. Manoloana ny zava-misy eo anivon’ny CNAPS amin’izao fotoana koa dia efa mamolavola ilay politika araka ny voalaza teo izahay ato amin’ny minisiteran’ny mponina ary ho avy ny fotoana hampahafantarana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny tale jeneraly misahana ny fiahiana ara-tsosialy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT