Minisiteran’ ny Indostria

Nidina ifotony nijery ny tantsaha sy ny mpandraharaha


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Nidina ifotony, mifampitankosina mivantana amin'ny tantsaha mpiompy sy mpandraharaha

ny minisitry ny fampiroboroana ny indostria sy ny varotra ahafahany mahafantatra ny filàn'izy ireo ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. Fidinana ifotony izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa. Navoitra fa rehefa mahazo laka ny tantsaha mpiompy eny ifotony dia mirindra ny fanodinam-bokatra samihafa, mbola maro anefa ny olana sedrain'izy ireny ka isany sakany amin'ny fivelarany. Nandritra ny fandraisam-pitenenany moa dia nilaza ny governoran’ny faritra Vakinakaratra fa mazava ny anton’ny fankalazana natao tany antsirabe. Aorian’ny faritra Analamanga dia ny faritra Vakinakaratra no be olona indrindra. Betsaka mpanjifa araka izany ary tsy vitsy ihany koa ny mpamboly. Nanentana moa ity tomponandraikitra ity ny hoe « rehefa hanjifa ihany dia aleo manjifa ny vokatra malagasy ». Ankoatra ny fanokafana ny lanonana ofisialy dia fitsidihana ny seha-pihariana ronono na ny lalan-dronono, ny orinasa Socolait ary ny tetikasa ODOF teny Andranomanelatra no fintin' ny dian'ny Minisitra ka natomboka tamin'ny fihaonana tamin'ireo tantsaha mpiompy, mihary ao anatin'ny seham-pihariana ronono ary nitohy tamin'ny tafa sy dinika tamin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny orinasa Socolait. Tsiahivina fa efa vita sonia ny sata mifehy ny ronono ary ilaina ny fanamafisana ny fampanarahan-dalàna rehetra mba hananana kalitao tsara, ilaina koa anefa ny fanovana toetsaina. Raha ny mahakasika ny taninketsa indostrialy napetraka ao Antsirabe faharoa kosa dia nojerena ny andrana atao amin'ireo milina izay manodina voankazo, raha toa ka manodina paoma ho cidre no nanaovana azy ity dia hita fa mahavita zavatra maro. Teto dia nambara fa nahafa-po ny vokatra azo ary efa mipetrapetraka ny paikady amin'ny famarotana ny vokatra. Nifanotrona sy niara-dalana hatrany tamin'ireto fitsidihana ireto ny Governora Vyvato Rakotovao sy ireo mpiara-miasa aminy ary nandray anjara tamin'ny fandrosoana vahaolana samihafa. Navoitra fa zava-dehibe ho an'ny Faritra mantsy ny fananana ireo karazana rojo-pihariana maro ary samy mahazo tombontsoa avokoa na ireo mpamokatra na ny lafiny ara-toekarena.
Solotiana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT