Sosialy

Minisiteran`ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana Maniry fitaovana ahafahana mandrindra fotodrafitrasa


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Ao anatin`ny fanatanterahana ny politika ankapoben`ny fanjakana ny IEM ny fitondrana amin`izao. Vola mitentina 60 tapitrisa ariary no hahetsiky ny minisiteran`ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy (MATHP) hamolavolana sy hananganana fotodrafitrasa ao anatin`ny vina IEM.

 

 

 

Anisan`ny fomba entina amin`izany ny fanatsarana ny tanàna, fanavaozana ny firenena amin`ny alalan`ny fananganana fotodrafitrasa mba hiakaran`ny toekarena eto amin`ny firenena. Nanamafy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo fa io politika io dia fitaovana iray hisian`ny fitantanana mahomby amin`ny alalan`ny fironana stratejika apetraka eto amin`ny firenena sy eo amin`ny lafiny fampiasam-bola maharitra ao anatin`ny  20 taona  ho avy. Tanjona, hoy izy, ny mba hanana fitaovana hahafahana mandrindra fotodrafitrasa eto Madagasikara. Ny asan`ny minisitera rahateo dia mandrindra ihany. Ao anatin`ny famaritana ireo sekoly, lalana, toha-drano mila havaozina ny minisitera ary mikaroka vahaolana. Matetika mivangongo amina toerana iray ny fanaovana fotodrafitrasa. Tsara ny finiavana hampandroso firenena saingy kosa niarahan`ny rehetra nahita teto ny fomba fitantanana miendrika didy jadona sy gaboraraka nandritra ny fitondrana HAT, ny fanaovana ampihimamba ny sehatry ny fandraharahana, ny fibodoana tanin`olona manerana ny faritra maro. Samy mahafantatra ny laza ratsiny ny fitondrana eo amin`ny fitantanana. Tsy azo lavina fa matetika manao ny tsy mety izy ireo. Ny fitantanana sy ny fifehezana no tsy misy toy ny fandikana fitsipika sy fampiasana hafetsifetsena no fomba ahazoana tombon-dalana. Rehefa izay no manjaka, mbola ela ny fandrosoana eto Madagasikara.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT