Mbola maro ny fisalasalana sy ahiahy manodidina ny fidirana ho mpikambana amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara.
Ny mpiasa mihevitra fa mampihena ny miditra am-paosiny izany. Ny mpampiasa mifaly fa zara aza ny vola tsy mivoaka ny kaonty. Ho fanalana ny hevi-diso indrindra no anton’ny fidinana ifotony ataon’ny minisiteran’ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy miaraka amin’ny tahirim-pirenena misahana ny Fiahiana ara-tsosialy na CNaPS. Fototra nanamafy izany ny fanapahan-kevitra nivoaka taorian’ny fivorian’ny minisitra ny 3 mey lasa teo milaza fa tsy maintsy ampiharana ny asa mendrika sy ny asa mahavelona eto amin’ny tany sy fanjakana Malagasy. Ho an’ny distrika Moramanga, faritra Alaotra-Mangoro dia nanomboka ny herinandro lasa teo ny fanentanana nataon’ny « task force ». Andasibe, Marozevo sy Moramanga no nisantarana ny fidinana ifotony nandritra ny telo andro. Fiaraha-misalahy nahafahana namelabelatra ny zo fototra tsy maintsy omena ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa manolona izany. Voailika ny fisalasalana nandritra ny fandondonam-baravarana ireo orinasa misehatra amin’ny fandraisam-bahiny, sekoly tsy mbola nampiditra ny mpiasa amin’ny fiahiana ara-tsosialy. Nahatratra 166 ireo mpiasa nentanina tamina orinasa 24 notsidihina. Samy resy lahatra ny rehetra fa ilaina ny volan’ny bevohoka, vola lany amin’ny fiterahana, volan’ny mpitaiza kely, volan-jaza sy ireo fanampiana ara-bola hafa avy amin’ny CNaPS, indrindra ny vola fandray rehefa misotro ronono. Marihina fa nomena 20 andro aorian’izao fihaonana tamin’ny telo tonta izao ireo orinasa voaentana hanatona ny masoivohon’ny CNaPS ao Moramanga Renivohitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.