Sosialy

Mimenomenona ny tantsaha any Andilamena Noferan’ny Fanjakana ho 700Ar ny kapoakan’ny vary


  • Zoma 06 Janoary 2023

Nisy ny naoty laharana 03-2023-DIST/AND/AG mitondra ny datin’ny omaly 05 janoary 2023 navoakan’ny Prefektioran’Ambatondrazaka-Distrikan’Andilamena mametra ny vidim-bary.

Niainga tamin’ny fivoriana tao amin’ny Biraon’ny Distrika niarahan’ireo tompon’andraikitra sy ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny vary natao omaly ihany io, raha ny voarakitra ao anatin’ilay naoty. Voalaza ao anatin’izany fa ferana ho 1650 Ar ny vidin’ny vary akotry 1kg alaina any amin’ireo mpamongady; 80Ar ny mitoto ny 1kg ; ary amidy 700Ar ny kapoaka eny amin’ny mpanjifa eny an-tsena. Tsy misy mpanelanelana, izay mividy ary mivarotra vao alefa eny an-tsena izay antony mampiakatra ka manahirana ny mpanjifa izany fihetsika izany, hoy ity naoty ity. Voasoratra noho izany fa vidina ny fary any amin’ny mpamongady amin’io vidiny voalaza etsy ambony io, ary tonga dia alefa eny an-tsena. Nisy ny fampitandremana ireo ambara fa mety ho alaim-panahy hampiasa kapoaka hosoka satria mahavoasazy. Hisy noho izany ny fitsirihana tampoka hanaraha-maso ny feepetra voalazan’ny naoty naparitaka, ary mihatra avy hatrany manomboka ny 09 janoary 2023. Eo ny hoe: fitsinjovana ny vahoaka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fanararaotana izay betsaka no faly sy nisaotra tamin’ny fanapahan-kevitra, fa maro ihany koa ny tsy faly amin’io. Tokony hisy, hoy ireo tantsaha, ny fepetra raisina na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe: “mesure d’accompagnement” fa tsy teren-ko masaka fotsiny satria misy masonkarena io kanefa terena hamidy mora. Ny deshormone 25000Ar/L, ny ody biby 50000 Ar/L, ny karaman’ny mpiasa,… kanefa tsy misy fepetra noraisin’ny Fanjakana manoloana izany. Ny solika nidangana nanomboka tamin’ny jolay 2022 nampiakatra be ny mason-karenan’ny fambolena kanefa tsy mba misy vahaolana nentin’ny mpitondra, ny ambioka lafo, ny fitaovana lafo, ny vidim-piainana midangana,… kanefa ny vokatry ny tantsaha terena hamidy mora tsy mba misy fepetra sy tohana mifandraika amin’ny fanapahan-kevitra. Ny vary hamidy 700Ar ny kapoaka kanefa ny siramamy vidiana 1400Ar ny 1/4kg, hoy ny tantsaha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT