MILAZA HO MANDEFA HIASA ANY CANADA

Vehivavy 2 voasambotra, 6 tapitrisa Ar no efa azony


  • Zoma 29 Desambra 2023

Vehivavy miisa roa, 38 sy 49 taona no voasambotry ny Polisin'ny

Cybercriminalité Anosy ny 26 Desambra teo teny amin ‘ny faritra 67ha rehefa nisoloky. Vehivavy miisa efatra no fantatra efa lasibatr ‘izy roa ireto.Nilaza izy ireo fa afaka mandefa olona hiasa any Canada. Resy lahatra moa iretsy voalohany ary tapa -kevitra ny hikarakara antontan - taratasy any amin’ny mpiandraikitra izany izay mpiray tsikombakomba aminy hatrany. Mitentina 1.400.000Ar isan'olona ny vola nalain'izy ireo. Manodidina eo amin'ny 6.000.000Ar eo ny vola efa azon'ireto mpisoloky ireto. Rehefa voarain'ireto farany ny vola dia omeny taratasy fampiantsoana na convocation ireo handeha hiondrana hiasa mba hanaovana "entretien d'embauche". Taorian’ ny nandraisana izany izy ireo vao nahatsikaritra fa taratasy tsy manan-kery ilay voaray, irony antsoina hoe : taratasy “copie scanné ” irony. Nametraka fitoriana teny amin'ny Cybercriminalité Anosy moa izy ireo nilaza ny zavatra nanjo azy.Nandray ny andraikiny ireo Polisy miasa ao amin’ity sehatra ity tamin’ny fikarohana ireo nahavanon -doza ka izao tra -tehaka teny amin’ny faritra 67ha izao ireo mpisoloky roavavy. Niaiky ireto farany fa hosoka ilay taratasy nampiasaina. Fantatra fa maro no efa voasolokin'izy ireo ankoatra ireo efa nametraka fitoriana. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon ’ ny Polisim-pirenena. Tsiahivina moa fa tsy vao sambany no nisy trangana fisolokiana mandefa mpiasa mankany ivelany tahaka izao teto amintsika. Ny mahagaga anefa dia mbola misy hatrany ireo voa fa tsy mety fay. Tokony hakana lesona hatrany anefa ny zava-mitranga.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT