Sosialy

Mila 301 tapitrisa dolara ny fanjakana Holoarana ny volan'ny CNaPS, SONAPAR, Banky Foibe…


  • Alatsinainy 18 Mey 2020

Navoakan’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence ny 15 mey lasa teo, fa miketrika « Plan Marshall » mitentina 301 tapitrisa dolara ny fanjakana, hoenti-manavotra ny toekarena.

 

 

 

 Tsy ampy antsasak’io anefa ny vola hoenti-manana satria 143,4 tapitrisa no azo vatsiana, ka ny antsasany eo avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Miketrika mafy ny tsy maintsy hanentsenana an’io tsy fahampiana io ny Kabinetran’ny Filoha tarihin’ny Sekretera Jeneraly Atoa Valéry Monjavelo, hoy io fampahalalam-baovao io. Mihevitra ny hitondra anjara 25 tapitrisa Euros ny governemanta, saingy tsy ho avy amin’ny volam-panjakana tantanan’ny Minisitry ny Richard Randriamandranto, fa amin’ny alalan’ny volan’ny CNaPS izay efa midingin-drambo amin’ny fikotrehana hakana vola hanarenana ny Air Madagascar amin’izao fotoana izao. Efa tany amin’ny hoe hakana vola hanamboarana ny Tanà-masoandro no nampiaka-peo ny sehatra samihafa, toy ny mpiasa mpandoa latsakemboka fa tsy azo ekena io. Eo ihany koa ny volan’ny SONAPAR izay efa nisy ampahany namidy tamin’ny orinasa STAR ny taona 2018. 60 tapitrisa dolara ihany koa no kendrena halaina ao amin’ny Banky Foibe,… Ny fehiny, dia tsy ampy na tsy manam-bola hoenti-mihetsika ny fanjakana. Mila ny vola avy any ivelany, raha tsy te handoatra amboletra an’ireo vola amin’ny orinasam-panjakana tadiavina hatao tantely afa-drakotra, izay ahiana ho faty avy eo. Ny 75% amin’ny tetibola ho an’i Madagasikara dia avy any ivelany avokoa. Mazava aloha io fa toa mampamangy na mbola any an-kibon’ny omby ny vola ho ana tetikasa goavana, toy ny Tanà-masoandro. Ny fanavaozana ny Rova tsy nisy tetibola mazava sy vonona fa avy any amina departemanta samihafa no noloarana,… Vola 77 tapitrisa dolara na 280 miliara ariary eo kosa anefa no hanaovana ny Kianjan’i Mahamasina, izay tsy hisy vokany velively amin’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka tena mampikolay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT